Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: MD ny lehilahy iray nampihorohoro vehivavy tamin’ny facebook

 

 Nidoboka vonjimaika am-ponja (MD) ao Ambalatavoahangy ny lehilahy iray voarohirohy ho nampihorohoro vehivavy tamin’ny facebook. Araka ny fanazavan’ny polisy, nosamborin’ny polisy tany Toamasina, ny 7 jona lasa teo, ity lehilahy ity noho ity resaka fampihorohoroana amin’ny famoahana sary manokana amin’ny facebook ity. Nilaza ity vehivavy ity fa misy fahasimbana ny telefaonina novidiany tao amin’ny fivarotana iray. Nisy lehilahy iray mpiasa tao amin’io fivarotana io nandray ilay vehivavy ka nilaza fa mila jereny ilay telefaonina. Rehefa nojeren’ity lehilahy ity ilay telefaonina, nataony dika mitovy “copie” avokoa ny sarin’ilay vehivavy tao anaty telefaonina sady nanamboatra ilay finday ihany izy. Fotoana fohy taorian’izay, nisy nandefa hafatra tao amin’ny facebook-n’ilay vehivavy fa mila manome vola 4 tapitrisa Ar izy fa raha tsy izany, haparitaka ao amin’ny facebook ny sarin’ilay vehivavy. Tsy niandry ela ilay niharan’ny fampihorohoroana fa nanatona ny polisy ao amin’ny “cybercriminalité” Anosy nametraka fitoriana. Natao ny famotorana ka rehefa nanao ny vela-pandrika ny polisy, noraisim-potsiny tao Toamasina izy. Nampiasa kaonty tsy tena izy “compte fake” nampihorohoroana ilay vehivavy ity lehilahy ity. Niaiky ny heloka vitany ilay mpampihorohoro.

Jean Claude

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique