Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nandriaka ny ra tetsy 67 ha: tovolahy nandeha moto, voatifitra antoandrobe

Nandriaka ny ra tetsy 67 ha: tovolahy nandeha moto, voatifitra antoandrobe

 

Tsy mba andro alina na harivariva akory fa antoandrobenanahary. Nitsirara tamin’ny tany, etsy 67 ha, ary maty tsy tra-drano ny tovolahy iray nandeha moto, taorian’ny tifitra nataon’ny jiolahy azy.

Tovolahy iray 37 taona maty tsy tra-drano notifirin’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika teny 67 ha Avaratra, omaly tamin’ny mitataovovonana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nitranga teo akaikin’ny toeram-pisakafoana iray ity fanafihana ity satria nihinana lasopy teo akaiky teo ihany ity tovolahy ity ary raha ny fanangonam-baovao azo, teo am-pivoahana ilay teoram-pisakafoana izy no nirefotra ny poa-basin’ireo jiolahy. Vokany, lasan’ireo jiolahy ny moto nentin’ilay niharam-boina niaraka tamin’ny kitapokely miloko mainty teny aminy izay noheverin’ireo jiolahy fa misy volabe. Raha ny fantatra anefa, tsy nisy ny volabe lasan’ireto jiolahy nitifitra ireto, araka ny fanazavan’ny polisy hatrany. Lasa nirifatra nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy rehefa avy nitifitra sy naka ny moto ary ilay sakaosy noheverin’izy ireo fa misy volabe.

Valifaty sa asan-jiolahy tsotra izao…?

Misokatra, araka izany, ny fanadihadian’ny polisy momba ity fanafihan-jiolahy narahina vonoan’olona ity. Hatreto aloha, tsy mbola fantatra mazava ny ambadik’ity raharaha fanafihana ity, tsy fantatra ihany koa na fanafihan-jiolahy na resaka lonilony sy/na valifaty ka niafara amin’izao vonoan’olona izao. Ny fanadihadian’ny polisy kosa no hanamarina izany rehetra izany. Tsiahivina fa efa nisy tranga mitovitovy amin’ity nitranga teny 67 ha ity koa teny Andohatapaneka tamin’ny herintaona. Tampoka ity fanafihan-jiolahy ity ary samy tsy nisy nanampo izany ireo olona teo amin’ny manodidina raha tsy ny feom-basy efa nirefotra ka samy nihoronkoditra avokoa ny rehetra. Tsy mifidy hotafihina intsony ireo jiolahy amin’izao vanim-potoana izao. Tsy fantatra ihany koa na diso lalana ry zalahy ka niantefa tany amin’ity tovolahy niharam-boina ity ireo olon-dratsy.

J.C

Les commentaires sont fermées.