Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MTEFPLS-Cnaps: nidina tany Betroka ny Task Force

MTEFPLS-Cnaps: nidina tany Betroka ny Task Force

 

Tsy manaja ny zon’ny mpiasa ny ankamaroan’ny mpampiasa any amin’ny distrikan’i Betroka. Tonga tany an-toerana ny vaomiera manokana, ny Task Force, ifarimbonan’ny minisiteran’ny Asam-panjakana, ny fampananana asa, ny fiahiana sosialy (MTEFPLS), sy ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps), ny herinandro lasa teo, notarihin-dRatsimandresy Dama Rorick, lehiben’ny tendro Cnaps Betroka. Nentanina ny tompon’orinasa sy ny mpampiasa, hampanarahan-dalàna azy ireo amin’ny fanomezana ny zon’ny mpiasa, ny fandoavana ny latsakemboka any amin’ny Cnaps, sns, ato anatin’ny telo volana, araka ny toromariky ny filankevitry ny minisitra, ny 3 mey teo.

Ankoatra ny fitetezana orinasa, nisy koa ny fiofanana mikasika ny fiahaina sosialy nomen’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny sosialy (SASS) ao amin’ny Cnaps, notarihin’ny talen’ny masoivoho, Ramahavita Gabriel. Nambarany fa maro ny mpiasa miala maina rehefa tonga ny faha-60 taony, tokony hisotroany ronono, nefa zo fototra izany sy ny fahazoana fitsaboana any amin’ny sampandraharaham-pitsaboana ho an’ny orinasa (SMIE). Nandray anjara tamin’izany ny mpitantana orinasa tsy miankina, ny sekoly, ny fiangonana, ny rafi-panjakana mampiasa mpiasa tsy raikitra ECD (faritra, kaominina, …). Nampahafantarina koa ny tolotra omen’ny Cnaps.

Nanentana mikasika ny fahasalamana sy ny aroloza any am-piasana koa i Solotiana Lydyana Rosnie, avy ao amin’ny SST Cnaps.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.