Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Matson’ny Foloalindahy: haseho vahoaka ireo fitaovana raitra sy vaovao

Matson’ny Foloalindahy: haseho vahoaka ireo fitaovana raitra sy vaovao

 

 Hiova fa tsy toy ny mahazatra isan-taona ny matso hataon’ny Foloalindahy eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina.  Handray anjara amin’izany ny tafika frantsay, i Kaomoro ary i Maorisy”, hoy ny fanazavan’ny, lehiben’ny sampandraharaha misahana ny serasera sy ny fampitam-baovao eo anivon’ny Foloalindahy, ny Jly Ratovonirina Philibert. Hiova koa ny endriky ny porizenitra fa tsy toy ny mahazatra ho eny amin’ny manodidina ny kianja.  Ho haingana kokoa ny famindran’ireo hanao ny matso raha milandamina izany teo aloha. Nambaran’ity manamboninahitra ity fa manodidina ny 3 000 eo ho eo ireo avy amin’ny Foloalindahy  handray anjara, miampy ireo avy amin’ny ladoany, ny rano sy ny ala, ny mpandraharaha fonja. Tsy handray  anjara kosa ireo mpitaingin-tsoavaly. Haseho amin’io ihany koa ireo fitaovana vaovao azon’ny Foloalindahy miaraka amin’ireo fampisehoana maro samihafa tsy fahita hatramin’izay fa eny Mahamasina raha te hahita izany rehetra izany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.