Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Halatra moto: any Antanimora sy any Tsiafahy ireo jiolahy

Halatra moto: any Antanimora sy any Tsiafahy ireo jiolahy

 

 Nidoboka am-ponja ireo jiolahy tompon’antoka tamina halatra moto iray teny Ambohidratrimo, ny zoma lasa teo. Enin-dahy ireo jiolahy voarohirohy ka ny telo lahy, nalefa any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy: i Boronto, i Frank ary i Valerie na Radange raha nalefa eny Antanimora kosa ny roa lahy izay tsy iza fa i Tapaka sy Rafidy, mpividy halatra sy mpandray ireo moto halatra avy nangalarin’ireo telo lahy. Mpitory amin’ity raharaha ity ny renim-pianakaviana iray lasibatr’ireo olon-ratsy ary ny fikambanan’ireo Bemoto. Jiolahy roa hafa karohin’ny zandary. Teo Talatamaty akaikin’ny tsenan’ny tantsaha no nifanomezan’ireo olon-dratsy sy ireo mpividy halatra. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny jiolahy iray.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique