Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fety ho an’ny rehetra… 

Fety ho an’ny rehetra… 

Anisan’ny fanambin’ny fitondrana amin’izao ny fankalazana ny fiverenan’ny Fahaleovantena ho an’ny rehetra. Izay, ohatra, no hanaovana ny matso lehibe eny amin’ny kianjan’i Mahamasina, ny tolakandro, fa tsy ny maraina toy ny mahazatra. Mba hahazoan’ny any amin’ny faritra manaraka izany amin’ny haino aman-jery.

Mba samy mankalaza ny 26 jona, araka izay tandrify azy avy ny tsirairay? Eny, na mbola ao anaty fahasahiranana lalina sy maharitra aza ny maro. Misy hatrany, ohatra, ny hetsiky ny fikambanana samihafa ho fanampiana ireo sahirana, ny zokiolona, ny tsy misy mpiahy… Sitrany ahay! Ny fifalianan’ny fo manome sy mandray no zava-dehibe.

Eo ny hetsika aman-danonana ho an’ny daholobe toy ny “Podiums”, ny kermesy, ny afomanga, ny fampisehoan’ny miaramila hakingana… Anisan’ny mampiavaka ny fankalazana amin’izao izay famerenana ireo karazana hetsika fanao teo aloha. Mampiombona ny rehetra fa zava-dehibe izany hoe fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena izany.

Fanehoam-pitiavana amin’ny mpiray tanindrazana tokoa ny fotoam-pankalazana ny fetim-pirenena toy izao. Tsy inona fa fifampitsinjovana, fanetsehana sy fanamafisam-pihavanana, fampiombonana… Iray ny Malagasy eto amin’ity tanindrazana iray ity. Ao anatin’izany ny fiaraha-mizaka ihany koa izay mitranga sy atao.

Mba izay mampiombona no hetsehina sy hamafisina; ary izay mampisaraka na tsy itoviana, hifamenoana fa tsy hifamonoana. Mbola be ny elanelana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana eo amin’ny fandrosoana? Noho ny antony samihafa toy ny fahalaviran-toerana, ohatra, ny faharatsian-dalana, ny tsy fahazoana jiro sy rano…

Anisan’ny mampiombona ny Malagasy ny tanindrazana. Ao anatin’izany izao fankalazana  ny fiverenan’ny Fahaleovantena izao… ho an’ny rehetra. Mba tsy hisy diso anjara? Mirary ny soa sy ny tsara ho an’ny isan-tokantrano sy ny tsirairay hanao fety finaritra amin’izao. Ao anatin’ny fifaliana, filaminana, firaisankina…

Rafaly Nd.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique