Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

 

Vita tara ny lalana midina an’Ambohijatovo  miakatra an’Ambatonakanga. Tsy  ilay endriny taloha, « pavé » mikitaontaona intsony fa arabe vita marina sy mahitsy tsara. Niasa alina hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany tamin’ny fanatanterahana  ny asa rehetra ary nezahina hovitaina mialoha ny 26 jona izao izany. Niato kosa noho izao fetim-pirenena izao ny asa fanamboaran-dalana ho an’ny faritra sasany eto an-dRenivohitra.

 

Mbola ho kandidà amin’ny fifidianana ben’ny Tanànan’Alasora Ramiarinjatovo Marc.  Nambarany tamin’ny mpanao gazety, ny herinandro teo, fa hotohizana ny asa fampandrosoana efa natomboka. “Eo ny fanamboarana ireo lalankely manerana ireo fokontany 20 mandrafitra ny kaominina. Ny fanohizana ny fampidirana jiro, iarahana amin’ny USAID  sy ny fametrahana fotodrafitrasa ho an’ny paositra sy ny kaomisarian’ny polisy, hotokanana tsy ho ela”, hoy  izy. Tsiahivina fa nizara vary ho an’ireo zokiolona maherin’ny 2 000 manerana ny kaominina ny tenany ny asabotsy teo.

Les commentaires sont fermées.