Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – Fiba Lany ho filoha i Anibal Manave

 

Tontosa, ny 21 hatramin’ny 23 jona lasa teo, tany Bakamo, any Mali, ny fivoriambe teo anivon’ny federasiona afrikanin’ny taranja basikety. Fotoana nanaovana ny fanavaozana ny birao mpitantana ny Fiba ihany koa. Lany ho filoha mpitantana, nandritra izany, i Anibal Manave, hitondra mandritra ny efatra taona. Ny 21 jona lasa teo no nanaovana ny fifidianana ireo hitantana ny faritra fito eto Afrika ka mbola lany hitondra ny faritra faha-7 misy an’i Madagasikara hatrany i Ntsay Louis Abel. Taorian’ny fifidianana, niroso tamin’ny fanendrena ireo filankevitra isan-tsokajiny ny mpikambana rehetra ka voatendry ho filankevitra eo amin’ny lafiny fampandrosoana na ny “conseil au developpement” ny solontena malagasy, Ramaroson Jean Michel.

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique