Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetry ny andro: hiato aloha ny erika

Toetry ny andro: hiato aloha ny erika

Hiverina ny masoandro ary hitsahatra ny erika eto an-dRenivohitra ho an’ny telo andro manaraka, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Hiakatra kely koa ny maripana ambony indrindra ao anatin’ny hateloana,14°C ny ambany indrindra raha 22°C ny ambony indrindra. Afaka hianoka tsara amin’ny fanamarihana ny fety niverenan’ny fahaleovantena ny rehetra, indrindra ny ankizy madinika amin’ny fitondrana ny harendrina, rahampitso hariva, sy ireo mpanaraka ny fampisehoana eny amin’ny “Podium” eto Antananarivo.

Mbola hahazo orana kosa ny faritra Sava sy ny any Analanjirofo iray manontolo ao anatin’izay telo andro ho avy izay. Toy izany koa ny any AtsimoAtsinanana fa somary ho maivana kokoa ny habetsahan’ny rotsak’orana. Ho an’ny faritra sisa hafa, ho maina ny toetry ny andro fa hiverina kosa ny erika ho an’ny ilany atsinanana, ny alarobia hariva.

« Hangatsiaka kokoa raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa ao anatin’izao volana jona izao ny maripana ho an’ny vanim-potoana ririnina eto an-dRenivohitra », hoy ny teknisianina.

Vonjy       

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique