Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – “Gujo Global women’s sevens”: azon’ny Makis ny medaly alimo

Notanterahina, tany Japon ny asabotsy 22 sy omaly alahady 23 jona teo, ny “Gujo Global Women’s sevens” na ny fifaninanana rugby ho an’ny olona fito, natokana ho an’ny vehivavy. Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ny Makis de Madagascar, manatanteraka fiofanana sy fanomanantena any an-toerana.

Norombahin’ny Makis vehivavy ny medaly alimo, tamin’ity fifaninanana ity. Nandrombaka ny medaly volamena kosa ny ekipam-pirenen’i Kolombia, ny Las Tucanes, tsy resy mihitsy tamin’ity fifaninanana ity. Faharoa ny Wamichi Suikan Rugby Club, avy ao Japon, nahazo ny medaly volafotsy.

Tsiahivina fa ekipa enina ny nifaninana, tamin’ity, ny Las Tucanes avy any Kolombia, ny Makis de Madagascar ary ekipa ekipa avy ao Japon: ny Otemon University Rugby Club, nitana ny laharana fahefatra ary ny Azalea Rugby Club, teo amin’ny laharana fahadimy ary farany ny Mie Women’s Rugby Club Pearls.

Tsiahivina fa anisan’ireo miofana any Japon ihany koa ry zareo Kolombianina. Haharitra hatramin’ny 27 jona ho avy izao ny fanomanantena hataon’ny Makis de Madagascar, any Japon.

Ny Makis de Madagscar izay hanomana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hikatsahana ny tapakila hiatrehana ny “Lalao Olympika”, hotanterahina any Japon, ny taona 2020.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.