Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampandrosoana: mitohy ny fanamboaran-dalana any Ambohibao Atsimo   

Fampandrosoana: mitohy ny fanamboaran-dalana any Ambohibao Atsimo    

 

Amin’ny maha mpitsabo. Manohy ny asa sosialy ataony ny Dr Fidy, sady ben’ny Tanànan’Ambohibao Atsimo. “Hetsika efa fanao intelo isan-taona eo ho eo ny fanaovana faobe didim-poitra ho an’ny ety Manjakaray sy ny manodidina. Efa fanao koa ny any amin’ny faritra hafa toy ny eto Antananarivo Renivohitra, ny eny Atsimondrano sy ny eny Avaradran,. ny any Manjakandriana”, hoy izy, ny faran’ny herinandro teo. Tsy mijanona eo anefa izany fa eo ko andraikitra maha ben’ny Tanàna azy ka anisan’ny asa vita tamin’izao enim-bolana voalohany ho an’ny taona izao ny fanamboaran-dalana. “Anisan’izany ireo mampitohy ny fokontany maromaro any amin’ny kaominina Ambohibao Atsimo. Nisy ny natao“pavé” ny sasany, toy ny farihy eny an-tanimbary rehefa nifampierana amin’ny tompony”, hoy ihany izy. Ankoatra izany, nandray andraikitra ny tenany amin’ny fanitarana ny lycée ao amin’ny kaominina iadidiany noho ny fahamaroan’ny mpianatra nefa tsy ampy ny efitranon-tsekoly. Ampahany amin’ny asa sosialy ary koa ny fametrahana fotodrafitrasa ataon’ny Dr Fidy eto Antananarivo sy ny any amin’ny kaominina Ambohibao Atsimo ihany ireo.

Synèse  R.     

Les commentaires sont fermées.