Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Can 2019”: ady sahala tamin’i Ginea: mila mandresy an’i Burundi ny Barea

“Can 2019”: ady sahala tamin’i Ginea: mila mandresy an’i Burundi ny Barea

Nampitaintaina hatramin’ny segondra  farany. Nahavita dingana lehibe ny Barean’i Madagasikara, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana, ny “Can 2019”, taranja baolina kitra. Nahavita nitazona ady sahala tamin’ny Syli National ny Malagasy.

Tsy nampoizin’ny Gineanina sy izao tontolo izao ny zava-bitan’ny Barean’i Madagasikara, teo amin’ny andro voalohany, amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2019), taranja baolina kitra. Fihaonana notanterahina, tao amin’ny kianja Alexandrie, ny asabotsy lasa teo.

Voatazon’ny Malagasy ady sahala, 2 no ho 2, ny Syli National, ekipam-pirenen’i Ginea. Efa teo am-pelatanan’ny Barea mihitsy aza ny fandresena no votsotra satria efa nitarika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Malagasy. Mila mandresy an’i Borondi, izay resin’i Nizeria tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny Barea, eo amin’ny andro faharoa, hahatsara toerana azy.

Tsy nihafihafy mihitsy ny mpilalaon’ny Barea, izay sambany vao mba niatrika izany “Can” izany, nanoloana ireo Gineanina. Fitavozavozana teo amin’ny vodilaharana malagasy no nampidiran’ny Gineanina ny baolina voalohany, tamin’ny alalan’i Kaba, teo amin’ny minitra faha-34. Isa nentin’ny roa tonta niala sasatra.

Fitaintainana sy hafaliana

Niezaka ny Barean’i Madagasikara, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, ka nanafaingana ny lalao. Nanantombo rahateo teo afovoan’ny kianja, notarihin’i Anicet, voahosotra ho mpilalao mendrika, sy i Amada. Nahitam-bokany izany satria nanasahala ny isa i Anicet, taorian’ny “corner” nodakan’i Carolus, niantefa teo amin’ny lohany, teo amin’ny minitra faha-49. Tsy nijanona tamin’io fa 6 mn taorian’izay, mbola nampian’i Carolus indray ny isa. Nihevitra ny rehetra fa handresy ny Barea. Nitranga kosa nefa ny tsy nampoizina satria valim-panafihana, teo amin’ny minitra faha-66 no nanasahalan’ny Gineanina ny isa, tamin’ny alalan’ny “penalty”, tafiditr’i Kamano, taorian’ny hadisoana nataon’i Metanire, tao anaty faritra tsy azo ivalozana.

Nifangaro teo amin’ireo Malagasy antapitrisany eto an-toerana sy ireo nanatrika any Egypta ny lalao ka nifangaro tao ny fitaintainana ary ny horakora-pifaliana. Betsaka ireo naneho ny heviny tamin’ny tambajotran-tserasera. Taorian’ny lalao, nanolotra lelavola ho an’ny mpilalaon’ny Barea, avy amin’ny filoham-pirenena, ny minisitra Tinoka Roberto.

 

Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique