Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 “Airtel M’Lay” any Toamasina: manafaingana ny asan’ireo mpanangom-bokatra

 “Airtel M’Lay” any Toamasina: manafaingana ny asan’ireo mpanangom-bokatra

Nampahalalana tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny “Airtel M’Lay” taorian’Antananarivo. Hetsika karazany maro nitety ny tanàna nentina nampahafantarana ireo tolotra samihafa momba ny “Airtel M’Lay”. Manafaingana sy manamora ny asan’ireo mpanangom-bokatra sy ny tantsaha any amin’iny faritra iny, indrindra fa misokatra ny taom-piotazana lavanila.

Na aiza na aiza, mandritra ny roa andro ny ahazoana miantso maharitra 200 minitra amin’ny 2 000 Ar. Ao koa ireo karazana tolotra hafa amin’ny « Airtel M’Lay » ihany, maharitra herinandro na iray volana, araka izay safidin’ny mpanjifa. Manampy ny mponina ao Toamasina izao tolotra izao, manaja sy manome lanja ny mpanjifa amin’ny alalan’ny firaisankina, ahafahana mifandray sy mitafa maharitra amin’ny rehetra ho fanamafisana ny fihavanana. Hosokafana tsy ho ela ho an’ny mponina any Mahajanga sy any Toliara koa izao tolotra vaovao izao.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.