Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tranga efatra isan’andro: mirongatra ny aretim-pivalalanana ao Toamasina

Tranga efatra isan’andro: mirongatra ny aretim-pivalalanana ao Toamasina

Mirongatra izaitsizy indray ny aretim-pivalalana miseho amin’ny ankizy ao Toamasina, raha ny fanadihadiana natao, nandritra ny faran’ny herinandro lasa teo iny. Mivalana matetika ny ankizy ary miaraka amin’ny fandoavana ihany koa. Ankoatra ireo, mena ny masony ary somary mahamay ny hoditra ny fisehoan’ny tranga. Raha ny faran’ny herinandro teo, nahatratra hatramin’ny efatra isan’ andro ny raiamandreny mitondra ny zanany marary tonga ary haiditra  hopitaly haingana, araka ny nambaran’ny dokotera misahana manokana ny ankizy etsy amin’ny Hopitalibe Toamasina, Rakotoarisoa Heriniaina. Misy koa ireo ankizy marary avy amin’ny mpitsabo sy hopitaly hafa ary alefa eny amin’ny Hopitalibe. Hatreto, tsy mbola nisy ny fahamoizana aina ary tsy maharitra ny fitsaboana ao amin’ny hopitaly ny ankizy marary. Midika izany fa raha tonga ara-potoana eny anivon’ny tobim-pahasalamana ny marary, haingana ihany koa ny fahasitranana. Manentana ireo raiamandreny ny mpitsabo hitondra ny zanany eny anivon’ny hopitaly raha misy trangana tsy fahasalamana.

Misy manao fitadiavam-bola

Tsikaritra koa, hanaovan’ ireo mpiasan’ny fahasalamana fitadiavam-bola ankolaka ny filan’ny mpitondra marary ao amin’ny hopitalim-panjakana. Eny amin’ny hopitalin-jaza, vidina 3.000 Ar ny karine sy « papier chemise » iray izay tsy maintsy vidina eo an-toerana. Etsy amin’ny trano fiterahana indray, tsy maintsy mividy “gaine” 3.000 Ar. Amin’ ireo efitranon’ny hopitaly roa nanaovana fanadihadiana ireo, tsy ahitana kifafa, tsy misy lay sy fitaovana fametrahana lay ny fandriana, tsy mifono ny kidoro fa ny mpitondra marary avokoa ny miantoka izany.

Sajo

Les commentaires sont fermées.