
Mitranga, mihemotra! Nofoanan’ny teo anivon’ny prefektiora indray ny lalàna momba ny fandrarana ny tsy azo anapoahana tsipoapoaka sy ny fivarotana izany. Manomboka omaly izany dia malalaka indray ny fanapoahana sy ny fivarotana izany, araka ny fanazavan’ny prefektiora.
Nilaza ny prefet fa ahina hitera-doza mantsy ny fivarotana sy ny fitahirizan’ireo mpivarotra izany. “Mety hapidi-doza ny fanafaran’ireo mpivarotra izany. Noho izany, mahazo mivarotra sy manapoaka izany indray ny olona amin’izao andro fety izao”, hoy izy. Mipetraka hatrany kosa ny tsy fahazoana manapoaka izany eny amin’ireo toerana saro-pady, toy ny eny amin’ny hopitaly, tobin’ny mpitandro filaminana, sekoly…, araka ny nambarany hatrany. Tsikaritra, omaly fa efa betsaka ireo mpivarotra nampirantiranty sahady ireo tsipoapoaka teo ambony latabatra fivarotana. Nanamafy ihany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena (MDN) fa kilalao sy fahafinaretana ho an’ny ankizy malagasy ny fanapoahana ny tsipoapoaka rehefa tonga ny volana jona. Fetin’izy ireo rahateo izany sady fankalazana ny fetim-pirenena ihany koa. Nambaran’ny teo anivon’ny MDN fa ho amin’ity taom-pankalazana ny faha-59 ny tsingerintaonan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foaloalindahy malagasy ity dia afaka atao ny mivarotra sy ny manapoaka tsipoapoaka any an-tokantrano misy ny tsirairay avy. Voarara mafy kosa ny fanapoahana izany eny amin’ireo toerana vory vahoaka.
J.C
Les commentaires sont fermées.