Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nosy Be: nomen’ny vondrona ADP fitaovam-pitsaboana

Nosy Be: nomen’ny vondrona ADP fitaovam-pitsaboana

Anisan’ny manana petra-bola ao anatin’ny orinasa Ravinala airports, ny vondrona Aeroport de Paris (ADP). Nanolotra fitaovam-pitsaboana ny hopitaly CHR any Nosy Be ity vondrona ity ADP ity, ny 15 jona teo. Fitaovana iray kaontenera, nalefan’ny Aviation sans frontières avy any Paris, noraisin’ny Médecins de l’Océan indien, ary natolotra ny hopitaly any Nosy Be. Nampiseho ny finiavan’ny vondrona ADP hampivoarana ny mponina ao amin’ny toerana iasany ity hetsika ity. Nanatrika ny fanolorana azy ireo ny ben’ny Tanàna Nosy Be, Ali Aboudou, nybpréfet de police, Mananjara Lucien, ny mpitantana ny hopitaly, ny filohan’ny Médecins de l’Océana indien, Firoze Koytcha, ny delege jeneralin’ny Aviation dans frontiers, Rtoa Mary-Anne de la Palme, ny talen’ny firotsahana maha olom- pirenena ADP, Rtoa Laure Kermen Lecuir ary ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Patrick Collard.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.