Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiampitana lalamby: notohanan’Ambatovy ny fankalazana ny aroloza

 Nankalazaina, ny zoma 7 jona teo, ny Andro iraisam- pirenena ho an’ny aro loza amin’ny fiampitana lalamby. Nikarakara azy ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ary nanohana ny hetsika ny tetikasa Ambatovy. Nisy ny fampisehoana ny fomba hisorohana ny loza amin’ireny fiampitana lalamby ireny. Nambaran’ny tompon’ andraikitry ny fiarovana ao amin’ny tetikasa Ambatovy, i Nicolas Alexandre Rogowski, fa ilaina entanina ny fiarahamonina sy ny mpampiasa lalana, hatrany an-tsekoly, hamantaran’izy ireo ny tokony hatao rehefa hiampita lalamby (passage à niveau) ireny.
Nilaza ny talen’ny fampiroboroboana ao amin’ny Madarail, fa mahatratra 5 ka hatramin’ny 10 isan-taona ny lozam-pifamoivoizana amin’ny lalamby. Tena ahitana azy ny zotra Antsirabe- Antananarivo- Toamasina ary Ambatondrazaka. Ho an’ity farany, maty voahosin’ny fiaran-dalamby nitatitra kraoma ny mpandeha rehetra tao anaty fiara fitaterana.

Sajo

Les commentaires sont fermées.