Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahafatesan’i Morsi: mitaky fanadihadiana ny ONU

Fahafatesan’i Morsi: mitaky fanadihadiana ny ONU

Tsy nipetra-potsiny. Mitaky ny fanadihadiana lalina sy ny marina ny amin’ny tena nahafaty ny filoha ejyspsianina teo aloha, Mohamed Morsi ny eo anivon’ny biraon’ny zon’olombelona ao amin’ny ONU.  “Tokony hafainganina ny raharaha tahaka ireny ary ho ao anatin’ny mangaraharaha sy haingana mba  hampazava ny tena nahafaty azy”, hoy ny mpitondra teny,  i Rupert Colville. Anisan’ny mitaky ny marina tahaka izany koa ny eo anivon’ny Amnesty International.

Tsiahivina  fa nalevina, omaly avy hatrany amin’ny toerana  tsy fantatra sady nambenana mafy ny nofo mangatsiakan’ity filoha teo aloha tany Egypta ity. Nitolefika teo am-pitsarana  azy rehefa nofotorina 20 mn mahery ny tenany, ny alatsinainy teo.  Nentina  tany amin’ny hopitaly ihany, saingy tsy tana ny ainy. Anisan’ny vesatra niampangana sy nitanana am-ponja azy hatramin’ny 2013 ny firaisan-tendro amin’ny Hamas Palestinianina  na koa ireo silamo mahery  fihetsika. Filoha voafidim-bahoaka ara-demokratika ny taona  2012 ny  tenany, saingy naongan’ny miramila tany an-toerana, herintaona taorian’izany. Nampidirina am-ponja.   Niakatra fitsarana ary maty teo am-panadihadiana azy, teo amin’ny faha-67  taony izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.