Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitantanana  ny  Mosque  67 ha: voafidy ho filoha i Achile Houssein

Fitantanana  ny  Mosque  67 ha: voafidy ho filoha i Achile Houssein

Tontosa, afakomaly ny fifidianana ny birao handrafitra ny fitantanana ny Mosqué 67  ha, nokarakarain’ny komity mpanomana.   “Vaofidy ho lehibe mpitantana ny trano fiangonana, i Achile Houssen, miaraka amin’ny mpitambola sy mpanampy ny fanamarinam-bola ary ny mpanolotsaina miaraka amin’ny sekretera jeneraly. Eo koa ny komitin’ny fahendrena sy ny mpikambana tsotra…”, hoy izy ireo nitatitra izany tetsy 67 ha, omaly. Anisan’ny asa hosahanin’ny birao ny fandrindrana ny fitantanana ao anatin’ny mangarahara sy am-pahitsiana ny Mosqué. Eo koa ny fandrindrana ny finoana amin’ny ankapobeny sy ny fitantanana ny vola. “Tsy itsabahan’ny fikambanana hafa, ankoatra ireo voafidy ireo izany. Vonona izahay hitondra am-pilaminana ny rafitra vaovao amin’ny fitantanana sy ho amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny finoana silamo…”,  hoy ihany izy ireo.

Niatrana teny an-toerana ny Emmo/Reg…

Manoloana izany, nisaotra ny fitondrana izy ireo nanampy tamin’ny  fanatontosana ny fifidianana  sy nandray andraikitra tamin’ny  fanelanelanana sy ny fandaminana.  Teo ohatra ny mpitandro filaminana avy amin’ny  Emmo/Reg sy ny polisin’ny 67Ha niantoka ny fanatanterahana izany. Tsiahivina  fa haharitra telo taona  ny  fe-potoam-piasan’ny birao mitantana ny Mosqué 67 ha.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.