Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ASIEF: efa eo am-piomanana tanteraka i Toamasina

Efa eo am-piomanana tanteraka amin’ny fiatrehana ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana, amin’izao fotoana izao ny faritr’i Toamasina, na dia mbola amin’ny 7 ka hatramin’ny 20 oktobra  aza no tapaka hanaovana izany. Fifaninanana karakarain’ny Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des fonctionnaires). Ny filoha nasionalin’ny Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’ Entretien des Fonctionnaires), Atoa Botosera Jean Aimé izay fantary ny rehetra amin’ny solon’ anarana John Love sy ny jeneraly Jaositera Rolando Rakotomavo, misahana ny ara-panatanjahantena sy kolontsaina eo anivon’ny tafika no anisan’ny manara-maso izany fanomanana sy fiomanana izany. Ho an’ny jeneraly dia nambarany fa ho hentitra eo amin’ny fampanaraha-dalana izy ireo amin ‘izay mety ho endrika fampiasana mersenera tahaka ny efa niseho nadritra ny Asief farany teo natao tao Toamasina izay nahatrarana mpilalao tsy aran-dalana manao hosoko sy mersenera eny ambony kianja miisa 180 be izao. “Miova endrika sy miampy ny taranja hilalaovana sy hanaovana fifaninana amin’ ity taona ity ka raisina ho taranja ny karatra, fanorona, hazakazaka amin’ny bisikileta Vtt, mba handraisan’ ireo mpiasam-panjakana tra-pahasembanana anjara” hoy hatrany ny Jeneraly. Tsy maintsy anaty lisitra “Bordereaux” sy mampiseho kara-panondro kosa ny tsirairay handray anjara amin’ izay taranja hanaovany fifaninanana, hoy kosa ny filohan’ny Asief, i John Love.

 

Sajo

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique