Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Prosperer Boeny: homena lanja ny voamaina, toy ny lojy

Prosperer Boeny: homena lanja ny voamaina, toy ny lojy

 Hatao ny 21, ny 22 ary ny 23 jona ho avy izao, any Manerinerina Ambondromamy, any amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6), ny “Foaraben’ny lojy mitsangana, ny katsaka ary ny voamaina hafa”, andiany fahatelo.

Lohahevitra raisina mandritra io fotoana io ny hoe “Antsika jiaby, miara-miasa hampiakatra ny fari-piainan’ny tantsaha, hampandroso ny toekaren’ny faritra”. Mikarakara azy ny Fandaharanasa manohana ny tendron’ny orinasa madinika ambanivohitra sy ny toekarena isam-paritra (Prosperer) any amin’ny faritra Boeny, tohanan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep).

Anisan’ny mampiavaka ny faritra Boeny ny famokarana voamaina, indrindra ny lojy. Nambaran’ny mpandrindram-paritry ny Prosperer Boeny fa manodidina ny 42 000 t hatramin’ny 45 000 t isan-taona ny vokatra manerana any Nosy ary aondrana any ivelany ny 98%. Olana amin’ity vokatra ity ny vidiny tsy marin-toerana satria tsy maintsy manaraka ny fiovaovan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ka lasa kivy ny mpamokatra raha vao latsaka ambany ny vidiny. Izay no mahatonga ny fikarakarana foarabe toy izao, ahafahana mitady ny fomba hiarovana ny tantsaha mpamboly sy ny fampifandraisana mivantana azy ireo amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa, toy ny mpandray na mpanangom-bokatra, ny mpamatsy vola, ny sampandraharaha manamora ny fihariana, sns.

Fanodinana eto an-toerana

Anisan’ny vahaolana koa ny hanodinana ny vokatra eto an-toerana fa tsy hionona amin’ny fanondranana any ivelany. “Hiteraka asa eto amintsika izany, sady ho tsara kokoa ny vidiny miainga any amin’ny tantsaha, raha oharina amin’ny haondrana any ivelany”, hoy ihany ny tompon’andraikitry ny Prosperer Boeny.

Ho hita mandritra io fotoana io koa ny loabary an-dasy arahina adihevitra, mifantoka amin’ny lohahevitra mazava, miaraka amin’ny vokatra samihafa hita any an-toerana, toy ny katsaka, ny voamaina hafa, ny tantely, ny asa tanana, sns.

Njaka Anxdriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.