Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

I Sarah Zoe – Vot: « Tsy tan-dalàna intsony isika.. »

I Sarah Zoe – Vot: « Tsy tan-dalàna intsony isika.. »

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny filoha mpanorina ny Vondron’olon-tsotra (Vot), i Zoe Sarah. « Tsy hita taratra intsony ny maha tany tan-dalàna antsika. Difotra ny demokrasia ka ilana fandraisan’andraikitra. Tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo”, hoy izy.  Nohitsiny fa gadraina na ampihorohoroana ka voatampim-bava ireo mijoro sy ny vonona hilaza ny hosoka sy ny hala-bato nitranga tany amin’ny faritra misy azy avy. Manampy izany, totofana fahantrana ny vahoaka ary hosihosena ny zony. Mbola ahodinkodina ihany koa ny safidiny, araka ny nambarany. “Miantso ny Ceni sy ny HCC izahay handray ny andraikiny.  Tokony hatao tsara sy hotohizana ny fampitahana ny PV. Aoka ny mpitandro ny filaminana hijery ireo mpanakorontana ny firenena”, hoy izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.