Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa: hanohana ireo tetikasan’ny MJS ny firenena sinoa

Fiaraha-miasa: hanohana ireo tetikasan’ny MJS ny firenena sinoa

Tanjona ho an’ny firenena sinoa ny hampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Hanohana ny tetikasan’ny minisitera, araka izany, izy ireo, raha ny nambaran’ny filohan’ny delegasiona sinoa, omaly teny Ambohijatovo.Tonga nifampidinika tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Tinoka Roberto, teny Ambohijatovo, omaly, ireo delegasiona sinoa, ahitana ireo olona manan-kaja ambony avy eo anivon’ny orinasam-panjakana. Nivoitra tao anatin’ny resaka natao ny hanohanan’ny firenena sinoa ny tetikasan’ny MJS, mahakasika ny fananganana fotodrafitrasa sy ireo vinan’asa hafa hampandrosoana ny fanatanjahantena eto amintsika. Natolotr’andriamatoa minisitra azy ireo tetikasa ireo ary entina hodinihina any Sina hijerena izay fomba hanatanterahana izany araka izay azo atao. “Delegasiona mafonja ireto tonga eto Madagasikara ireto, efa niara-niasa hatrany tamin’i Madagasikara. Antenaina, araka izany, ny hizoran’ny fiaraha-miasa ho fampiroboroboana ny fanatanjahantena malagasy sy hanatanterahana ny veliranon’ny filoham-pirenena”, raha ny nambaran’ny minisitra. Ho mora araka izany ny hiara-hiasa amin’ireto delegasiona ireto, misy teknisianina rahateo amin’izy ireo izay mahalala tsara izay fomba hampandrosoana ny fanatanjahantena malagasy.

Tsahivina fa isan’ny namolavola ny fananganana ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny ankamaroan’ireto delegasiona sinoa ireto, anisan’izany i Pang Xiaofeng, avy amin’ny China Sport. Isan’ny angady nananana sy vy nahitana izao fiaraha-miasa izao ihany koa ny federasiona malagasy ny wushu, tarihin’ny filohany, Ramaherison José na i maître Gao. Ity farany izay tonga ihany koa nanotrona ny fitsidihana ny minisitra niaraka tamin’ny delegasiona sinoa teny Ambohijatovo, omaly.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.