Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankadievo: lehilahy fito tratra nangalatra godorao sivy barika

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP Alasora teny Ankadievo Alasora, ny 13 jona 2019 lasa teo, ireo lehilahy miisa fito voarohirohy ho nangalatra godorao. Fiaraha-miasa avy amin’ny fokonolona eny an-toerana sy ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria no nahafahana nisambotra ireto mpangalatra godorao ireto. Raha ny fanazavan’ny polisy, ny alin’ny 13 jona 2019 manodidina ny tamin’ny 10 ora, nahazo antso avy amin’ny fokonolona ny polisy izay nilaza fa misy andian’olona mangalatra godorao eny amin’iny faritra Ankadievo iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy ka nidina teny an-toerana avy harany. Teo am-panatanterahana ny asa ratsiny izy ireo no hitan’ny polisy ka noraisim-potsiny taorian’ny fifanenjehana. Tratra tany amin’izy ireo ny godorao miisa sivy barika. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa efa mpamerin-keloka ny iray amin’ireto mpangalatra ireto. Naverina amin’ny tompony ireo godorao ireo.

Jean Claude

 

 

Les commentaires sont fermées.