Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ahina ho nanao kolikoly teny amin’ny RN4: natolotra ny fampanoavana ireo zandary telo lahy

Ahina ho nanao kolikoly teny amin’ny RN4: natolotra ny fampanoavana ireo zandary telo lahy

Nahazoana tatitra ireo zandary nanao sakana teo Ambalanjanakomby, Maevatanana. Voalaza fa nanao kolikoly, ka nanaovana fanadihadiana izy ireo. Efa nandrasana fepetra ireto zandary ireto.

Niakatra fampanoavana omaly ireo zandary telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana kolikoly teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena (CIRGN) Mahajanga, ny Kly Andrianoasy D’y La Paix, ny asabotsy lasa teo tamin’ny 8 ora alina dia nisy zandary telo lahy nanao sakana teo Ambalanjanakomby, distrikan’i Maevatanàna, lalam-pirenena fahefatra nahazoana tatitra avy amin’ny Praiminisitra fa nanao kolikoly teny amin’ny lalana, nandraisana fepetra avy hatrany ireo zandary ireo dia nanaovana fanadihadiana ka izao hatolotra ny fampanoavana anio (omaly io) izao. Izany zavatra izany dia tsapa fa nisy ezaka nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny famehezana sy fandrindrana ny fifamoivoizana sy fanatsarana ny lalàna mifehy eny an-dalana. Niaraha-nahita ny fametrahana ireny toerana fakana aina eny amin’ny lalam-pirenena ireny, araka ny nambarany hatrany. “Tsy mandefitra ny fitondram-panjakana amin’ireo mitsivalam-pandry na iza izy na iza indrindra fa ny mpitandro filaminana tokony ho modely ka izay no antony nandraisana fepetra ireto zandary ireto. Aoka koa isika hanaja ny lalàna sy ny toromarika omen’ny mpitandro filaminana”, hoy hatrany ny lehiben’ny CIRGN Mahajanga.

Aoka ho sahy hitoroka izay tsy mety…

Manentana antsika ho sahy hitoroka sy hilaza ny zavatra tsy mety rehetra hita eny an-dalana eny, indrindra koa raha mahita fandikan-dalàna ataon’ny mpitandro filaminana eny amin’ny lalam-pirenena, araka ny nambaran’ity manamboninahitra ambony ity hatrany. Nanamafy rahateo ny Seg, ny Jly Ravalomanana Richard, fa tsy natao fieren’ny jiolahy ny zandarimariam-pirenena ary nampitandrina hatrany ho an’ireo zandary manaratsy endrika ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena izy. Araka ny nambarany, tsy andeferana ary tsy hitsitsy ireo zandary tratra manao fandikan-dalàna izy, indrindra ho an’ny firaisana tsikombakomba amin’ny asan-jiolahy, ny fanaovana trafikana fitaovam-piadiana, ny kolikoly. Ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (ComGN) koa, mbola nanamafy izany fa tsy handefitra amin’ireo zandary mitsivalam-pandry ary tsy misy ambonin’ny lalàna na iza na iza fa tsy maintsy ampiharina ny lalàna ho an’ireo izay tratra manao fandikan-dalàna.

J.C

Les commentaires sont fermées.