Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy nisy nangalatra fa nitsoaka ny ray aman-dreniny: hita ireo ankizilahy telo very teny Ambohijanaka

Tsy nisy nangalatra fa nitsoaka ny ray aman-dreniny: hita ireo ankizilahy telo very teny Ambohijanaka

Soa ihany! Hita, omaly maraina amin’ny faritra Dorodosy akaikin’Alasora, ireo ankizilahy telo namoahana ”Ombay mitady”, nampisahotaka ny ray aman-dreny satria nahina ho hala-jaza.

Voalazan’ny tatitra nampitain’ny polisy fa teny Soaranokely Ambohijanaka no tsy hita ireto ankizilahikely ireto ka nanaovana filazana “Ombay mitady” sy niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera “facebook”. Nanao ny fikarohana, nandritra ny alarobia alina manontolo, ny polisy ka hita omaly maraina izy telo lahy. Nomarihin’ny polisy fa valo taona ny zokiny raha enin-taona kosa ny zandriny. Niroso tamin’ny fanadihadiana azy ireo ny polisy ka tamin’izany ny nilazan’ireto ankizikely ireto fa noho ny kapoka nataon’ny ray aman-drenin’ny iray amin’izy ireo ny nahatonga ilay zazalahikely iray nitsoaka. Izy indray avy eo no nitaona ireo namany roa lahy niaraka taminy nitsoaka. Manentana hatrany ny polisim-pirenena hampandre haingana azy ireo raha misy tranga toy izao tsy hampanano sarotra ny fanadihadiana. Efa tafaverina soa aman-tsara any amin’ireo ray aman-dreniny ireto ankizikely tsy hita ireto.

Hitondra fanazavana ny polisim-pirenena…

Niteraka resabe, indrindra any anaty tambajotran-tserasera, ny fanjavonana zazakely tato ho ato. Betsaka ny ray aman-dreny lasa mihorohoro sy tratran’ny fikorontanan-tsaina tsy fidiny noho ity raharaha ity. Hatrany amin’ny sekoly aza, efa nametraka paikady manokana ireo tompon’andraikitra eny anivony amin’ny fiarovana ireo ankizikely, toy ny fampiasana karatra misy ny sarin’ireo ankizy tsirairay sy/na olona iray efa fantatr’ireo mpanabe ihany no afaka maka mpianatra. Hitondra fanazavana misimisy kokoa momba ity raharaha hala-jaza eto an-dRenivohitra ity ny polisim-pirenena anio eny amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Teo aloha teo, somary nahazo vahana izy ity resaka hala-jaza ity ary nifanindran-dalana tamin’izany ny halatra taova izay efa nisy nijoro vavolombelona mihitsy ireo fianakaviana niharam-boina. Ankoatra izany, misy indray ireo ankizy mitsoaka ny tokantranony noho ny herisetra ataon’ny ray aman-dreniny azy ireo ka manaraka namana. Ao kosa ireo mifampitaritarika miaraka amin’ny namany ka tsy tafody an-trano ka andro vitsivitsy aorian’izay vao miverina. Andrasana, araka izany, ny fanampim-panazavana omen’ny polisy momba ity raharaha ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.