Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: tsimbotry niaraka ihany…

Mandoza iny fiapangana miaramila 27 ahiahiana niray petsapetsa tamin’ny famonoana olona telo izay notazomina nohon’ny ahiahy nipetraka taminy momba-na fandraisana anjara tamin’ny asan-dahalo. Na miaramila avy ao amin’ny Tafika Malagasy aza ireo miaramila voapanga ho nanantateraka an’izany asa maloto izany afaka heverina fa tsy ny Tafika irery ihany no afa- baraka fa na ny Zandarmaria na ny Polisy samy hipitian’ny fotaka vokatr’izany, afaka lazaina fa ireto roa tonta ireto samy nanana olona avy ao amin’ny laharany izay nanefa asa tsy mendrika avokoa. Arak’izany tsy ny fifanilihana loto ifanaovan’izy telo ireo akory no afaka hanadiovan’ny tsirairay ny tenany. Maro izay fihoaram-pefy tamin’ny fanefana ny tsy rariny no sady fandikana lalàna ankerisetra mitory fanjakazakana ka rehefa ela ny ela dia nandraotra diso tafahoatra tamin’ity farany ity. Firaisankinan’izy telo fanetre-tenan’ny tsirairay no hany ahafahan’ny lehiben’izy ireo hamerina ny fitokisan’ny vahoaka aminy. Tsy ambava fotsiny na atao aza hoe amin’ny fifonana ampahibemaso aza fa amin’ny fampisehona fiovan-toetra eo amin’ny fikasokasohana amin’ny mponina ao anatin’ny fiarahamonina. Samy mila manao fanadiovana mahery vaika ao antokatranony, tsy misy izany hoe tsy manana loto mivangongo etsy sy eroa ao an-tranony. Marina ny hevitry ny fitondrana raha manetsika ny Tafika hivoaka avy ao amin’ny tobiny ka hirotsaka an-tsehatra hampiasa ny fahaizany miatrika ady, tena ady tokoa moa no atao amin’ny dahalo jiolahy sy tontakely isan-karazany izay tsy mana-petra toy ny olona lany fady rehefa manefa an’izao karazana asa maloto rehetra izao. Nohon’ny fitombon’izany dia tsy vaofehin’ny zandary sy polisy irery intsony ny filaminana eo amin’y fiarahamonina ary tsy aro izy ireo irery ny fandriampahalemana. Iray ny hery, tokana ny tanjona apetraky ny fitondrana pôlitika, na izany aza dia mila fandaminana ny fomba fanatanterahana adidy, samy manana ny fahaizany manokana ireo toko telo miantoka ny fiarovana ny tanindrazana sy ny mponina, tsinjaraina arak’izay ny adidy iantsorohany mba tsy hifanitsaka na ampitombo fahasahiranana nohon’ny fitsabahan’ny sasany any amin’ny sehatra natokana ho an’ny hafa. Raha tany amin’ny firenena any ivelany any moa no nisy an’iny tranga naha voarohirohy andian’olona 27 izay nomena iraka masina nefa nivadi-bela tamin’ny fanatanterahana asa mamoafady dia noraisina ny didy fanongotana ny mpifehy azy ireo an-tampony. Tsy izay angamba no mendrika takiana fa ny fahatongavan-tsaina an’ireo manamboninahitra mifehy an-tampony mikasika ny adidiny amin’ny fanarenana ny toe-tsainan’ireo rehetra ao ambany fifehezany.

Léo Raz   

Les commentaires sont fermées.