Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Endrika ivelany!     

Endrika ivelany!     

Mamerina an-jambany ny hadisoan’ny teo aloha hatrany isika eto. Tsy ny mpitantana ambony ihany fa hatreny ifotony, samy tratran’izany. Miseho amin’ny endrika ivelany sy mandalo fotsiny fa tsy maharitra. Taitaitra ambony ihany… fa ho avy ny fety. Hanao be fiavy ny vahiny.  Ho tonga koa ny avy any amin’ny Fiketrahana masina… Ny zava-misy anefa, efa zatra gaboraraka sy navela nanao ny tiany avokoa ny rehetra, eny hatramin’ny vahoaka  amin’ny ankapobeny, tao anatin’ny 10 taona teo ho eo. Manomboka amin’ny fanorenana tsy ara-dalàna, ny fanotofana tsy tokony hatao tany. Ny mivarotra eny an-dalambe. Tahaka izany koa ny mpitarika sarety sy ny mpitarika posy.  Hatramin’ny mpitatitra sy ny fiara tsotra. Mety hifandray amin’ny hahatongavan’ny vahiny izany nefa koa fepetra sy lalàna efa teo ihany, saingy goragora ny fampiharana izany. Mety ho karazana endrika ivelany ihany fa tsy haharitra. Tena hitohy ve izao io fepetra norasina ho amin’ny famerana ny ora iasan’ny posy sy ny sarety io? Sa hanao afo-mololo fotsiny ihany, tahaka efa niainana eto hatramin’izay. Efa raikitra koa ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny eny ambany tanàna. Anisan’izany ny lalana sy ny fandokoana ny trano amoron-dalana ary ny fanadiovana… Ohatra ny etsy Tsaramasay mihazo ny lalamby hatrany Ankorondrano iny. Satria ho avy hitsidika eny ilay filoha roandey, anisan’ny tompon’ny fitsipi-pifehezana sy ny fahadiovana. Ho lasa ny vahiny avy eo. Hanao ahoana ny ho tohiny. Tsy maintsy hiova endrika ny tanàna, manomboka amin’ny herinandro io. Minoa isika fa handalo fotsiny ihany izany, aorian’ny fety… Ho feno loto sy fako eny rehetra eny. Hisy fahapotehana sy fahasimbana ny fotodrafitrasa samihafa. Izany ny endrika ivelan-dRamalagasy sy ny fahantran’ny toe-tsainy. Aza hadinoina fa sarotra ny mamerina io fanajana fitsipika sy fifampihehezana io. Tsy maintsy mihenjana ny mpitantana rehetra raha te handroso isika. Mety tsy hanana fahatokisana izany anefa ny olom-pirenena raha tsy mandeha  mahitsy sy araka ny lalàna sy ny fenitra koa ireo mpitantana rehetra isan’ambaratongany. Aoka hahazaka fitsipi-pifehezana isika fa tsy ho zatra baranahiny. Tsy natao handalo fotsiny anefa izany fa hitoetra sy holalaina mandrakariva… Mba tsy ho endrika ivelany sy hisehosehoana fotsiny ihany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.