Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsarafaritra –Tsimbazaza: napoaka ilay vato 5 taonina

Tsarafaritra –Tsimbazaza: napoaka ilay vato 5 taonina

Notontosaina omaly ny fanapoahana ilay vatobe milanja 5 taonina, teny amin’ny fokontany Tsarafaritra Tsimbazaza. Omaly maraina, tamin’ny 7 ora, no nanomboka niasa teny an-toerana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly mitantana ny loza voajanahary na ny BNGRC sy ny ireo ekipa rehetra, niaraka tamin’ny fitaovana na ny “dynamite”.

Mila fahamailoana ny fanatanterahana izany ka natomboka tamin’ny fandaminana ny manodidina sy ny fanalana ny olona ny asa. Tamin’ny ny 2 ora teo, natao ny fanapoahana ilay vato. Nanakoako teny amin’ny manodidina ny fidoboky ny “dynamite”. Taorian’ny fanapoahana, tsy nisy ny naratra na fahapotehan-javatra. Maro ny naira-nanatontosa izany, teo ny mpamonjy voina, ny MATHTP, ny prefektioran’Antananarivo ary ny distrika ny Tana IV. Raha tsiahivina dia iray volana lasa no nisy ny fijerena ifotony ilay vatobe ka niafarany ny fanapotehana azy io, omaly.

Randria

Les commentaires sont fermées.