Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tratra ireo mpamaky fasana: jiolahy fito eny Tsiafahy, vehivavy iray eny Antanimora

Tratra ireo mpamaky fasana: jiolahy fito eny Tsiafahy, vehivavy iray eny Antanimora

Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo tambajotrana mpamaky fasana raha eny amin’ny fonjan’Antanimora kosa ny vehivavy. Ireto andian-jiolahy ireto no tompon’antoka tamina vaky fasana teto an-drenivohitra hatrany Manjakandriana…

Naharay tatitra ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Manjakandriana fa misy olona tsy fantatra mihaodihaody amin’iny kaominina Ambohibary iny, ny alatsinainy 3 jona 2019 tamin’ny 8 ora alina lasa teo. Nandefa zandary mba hanao fisafoana ny kaomandin’ny tobim-paritra, ny alin’io ihany ka nisy mpandalo nahatsikaritra ireo olona roa nampiahiahy ireo ka niantso ireo zandary mpanao fisafoana. Trara tao amin’ny toerana antsoina hoe Bevava manamorona ny RN 2 izy roa lahy ireo raha nikasa hihazo ho aty an-dRenivohitra. nandritra ny fanadihadiana azy ireo tany amin’ny birao ny zandary no nahitana tapaby maromaro sy barre-pince, baramina ary vola tsangan’olona. Niaiky izy ireo raha nanontanian’ny zandary fa fitaovana fitondrany mamaky fasana izy ireo. Niroso tamin’ny fisavana ny tranon’izy ireo ny zandary taorian’izay. Olona iray hafa indray tratra taorian’ny famotorana azy roa lahy ka nilaza anaran’olona roa hafa ihany koa izy izay mpiara-mamaky fasana aminy. Nifankahalala izy ireo nandritra ny fampifanatrehana, ary nilaza fa efa namaky fasana ary mbola nanonona olona roa hafa. Niaiky izy ireo fa mpamaky fasana ary nilaza fa ry zalahy ireo avokoa no tompon’antoka tamin’ny vaky fasana tamin’ny faritra manodidina an’Antananarivo, Manjakandriana, Andriampamaky, Talata Volonondry, Ambohimanga Rova Avaratra, Tsiafahy, Andoharanofotsy, Ankadivoribe, Ambohibary ary Antsirabe sy ny maro hafa. Natolotra ny fampanoavana izy ireo ka nidoboka eny Tsiafahy ny jiolahy fito raha eny Antanimora kosa ny vehivavy iray.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.