Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

OIT- Filoha Rajoelina sy ny minisitra Ramampy Gisele: vita sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny asa

OIT- Filoha Rajoelina sy ny minisitra Ramampy Gisele: vita sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny asa

Nanao  sonia fifanarahana iraisam-pirenena enina momba ny tontolon’ny asa tany Geneve  -Soisa ny filoha Rajoelina, notronin’ny minisitry  ny Asa,  Ramampy Gisèle sy  ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny minisitera, omaly.

Nivoitra ao anatin’izany ny momba ireo mpiasa mifindra monina,  ny fifandraisan’ny asa eo anivon’ny asam-panjakana, ny fifampiraharahana miaraka, ny momba ireo masoivoho tsy miankina  misahana ny asa, ny asa an-terivozona ary koa ireo mpanampy ao an-trano. “Napetrakay ho fanamby  ato anatin’ny 10 taona  ny hanafoanana tanteraka ny asa an-terivozona , ny fanandevozana maoderina, ny fanararaotana samihafa eo amin’ny tontolon’ny asa, ny endrika fampiasana ny ankizy”, hoy ny filoha Rajoelina tamin’ny anjara  lahateniny amin’izao fanamarihana ny  faha-100 taon’ny fikambanana  iraisam-pirenena (OIT)  izao.  Notsiahivin’ny filoha  Rajoelina fa manohana ny fandraisana andraikitry ity sampandraharaha ity i Madagasikara ho amin’ny fametrahana ny tontolon’ny asa manome vahana ny maha olona, ny  fanajana ny zo fototra sy ny tsy  fanilihana na koa ny fitantanana mitovy ny  mpiasa eo anivon’ny asa.

Mikaro-bahaolana hatrany eo amin’ny tontolon’ny asa

Nanteriny fa  nampiakarin’ny fanjakana  tarihiny ho 19% ny karama farany ambany eto  amintsika mba hanohanana sy ho fanampiana azy  ireo.  Manampy izany ny vinan’ny filoha ho amin’ny  fandaharanasam-pirenena momba ny fandraharahana toy ny “Fihariana”. “Natao hampirisihina sy hankaherezana ireo tanora io, handraisany an-tanana  ny  hoaviny ho  fampandrosoana  ny firenena. Eo koa anefa ny fampihenana  ny  tahan’ny tanora tsy anasa”, hoy  izy. Nanao  antso  avo amin’ny mpikambana eo anivon’ny OIT  koa ny filoha mba  hametraka  mazava ny paikady miaraka manoloana ny asa fanandevozana miseho amin’ny endriny maoderina amin’izao fotoana izao sy ireo endrika fanararaotana samihafa eo amin’ny asa. Tsiahivina fa any an-toerana koa ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny  Asa, miezaka mikaro-bahaolana hatrany eo amin’ny  tontolon’ny asa sy ny  asam-panjakana.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.