Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nofaritan’ny Bad: Indostria, herinaratra, ady amin’ny mosary…

Nofaritan’ny Bad: Indostria, herinaratra, ady amin’ny mosary…

Nanomboka ny 11 jona hatramin’ny 14 jona 2019, any Guinée, ny fivoriambe faha-54 an’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Minisitra misahana ny vola sy governoran’ny banky foibe avy amina firenena afrikanina maro ny mandray anjara, miampy ireo teknisianina samihafa. 3000 ny manatrika io fivoriana io, anisan’izany ny minisitra malagasy, Randriamandrato Richard.

Lohahevitra dimy lehibe no dinihina mandritra ny fivoriana ho fampandrosoana ny toekarena afrikanina : ny fananganana indostria, ny fanazavana an’i Afrika (herinaratra), ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo, ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina, ny fampandraisana anjara an’i Afrika. Mahakasika an’i Madagasikara avokoa ireo. Resy lahatra ny Bad fa zava-dehibe ny fifandraisana eo amin’ny samy Afrikanina ho fampandrosoana ny toekarena.

Vita ny Bas Mangoky

Mila ezaka goavana ny fanamboarana fotodrafitrasa, izay sahanin’ny Bad any amin’ny firenena maro, ohatra eto Madagasikara tamin’ny fanamboarana tohodrano Bas Mangoky, faritra Atsimo Andrefana. 61 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azo tamin’izany, nahafahana nanatsara ny velaran-tany volem-bary 9 000 ha. Hatramin’ny nahavitan’io tetikasa io, tsara fidiram-bola ny tantsaha maro, niova fari-piainana, afaka mampianatra ny zanany.

Ny Bad mbola afaka manampy amin’ny fanaovan-dalana sy famatsiana herinaratra. Olana avokoa ireo raha eto Madagasikara. Koa nentanin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny banky ny tokony hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy Afrikanina, mifampita traikefa, mifampiraharaha ara-bola, mifanakalo teknisianina. Hamoraina ny fifandraisana amin’ny ankapobeny.

Araka ny fantatra, 25 % amin’ny firenena afrikanina ihany no tsy mitaky “visa” amin’izay teratany afrikanina miditra any aminy. Mitombo io tarehimarika io raha oharina tany amin’ny taona 2016 sy 2017. Sakana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena izany, araka ny fahitan’ny Bad azy.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.