Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lalaon’ny nosy – Fanomanan-tena Sina: lasa omaly maraina ny vondrona faharoa

Lalaon’ny nosy – Fanomanan-tena Sina: lasa omaly maraina ny vondrona faharoa

Taorian’ny fandehanan’ny vondrona voalohany, misy ny taranja badminton, tenisy ambony latabatra, judo ary ny lomano, ny talata lasa teo, nanainga, omaly maraina ihany koa ny vondrona faharoa, misy ny taranja fibatana fonjamby sy atletisma, hihazo an’i Sina hiatrika ny fiofanana ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Tsiahivina, nahazo tsodrano avy amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ireo atleta Malagasy miisa 60 mianadahy. Nanambara ny teo anivon’ny Ministera, izay nisoloan-dRakotozafy Rosa tena, fa hisolo tena an’i Madagasikara iray manontolo ireto atleta ireto ka tokony ho fitaratra fa tsy sanatria hanala baraka ny firenena. Nanafatrafatra izy, araka izany, ny amin’ny fitondran-tenan’ny atleta tsirairay sy ny fanarahana ny fitsipika.

Nisaotra ny fitondrana ny FMHMC

Mahakasika ity fandehanana any Sina ity hatrany, nisaotra ny fitondrana ny avy eo anivon’ny federasiona malagasy ny FMHMC (Fédération Malgache d’Haltérophilies, de Musculation et de Culturisme). Ankoatra ny fandehanana any Sina, nambaran’ny federasiona fa hahazoana fanampiana avy amin’ny fanjakana avokoa ny lalao iraisam-pirenena handraisan’ny FMHMC anjara amin’ity taona ity. Manomboka amin’ny fifaninanana hatao any Nairobi, ny volana jolay izao, hatramin’ny “tournoi de Titans” hatao any La Réunion amin’ny volana novambra.

Mi.Raz

 

 

Lisitr’ireo nandeha any Sina:

Lomano: Samantha, Holy Antsa, Malalasoa, Johana, Lalanomena, John, Stephane, Sandro, Coach: Razafindrainibe Vola

Judo: Fetra, Lita, Zo, Laura, Norah, Coach: Jean Yves

Tenisy ambony latabatra : Lino, Setra, Luciano, Santatra, Harena, DTN :

Tahiry Fibatana fonjamby : Vania, Rosina, Sitraka, Sarah, Sariaka, Malala, Mendrika, Eric, Ricardo, Claudio, Tina Michel, Passéliaz, Cadeau, Jules Antonio, Coach : Rakotoarison Thomas

Atletisma : Sylvain, Blanc Pierre, Arold, Damien, Ibrahim, Stenny Aris, Claudine, Elodie, Olga, Sidonie, Fanjaline, Henintsoa, Haingo Brigitte, Coach : Mahatana

Badminton : Aina, Kemen, Tokinirina, Haja, Ludovic.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique