Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kianja «synthètique» Itaosy: 75 isan-jaton’ny asa no efa vita

Kianja «synthètique» Itaosy: 75 isan-jaton’ny asa no efa vita

Raha tsy misy ny fiovana, ho vita afaka roa volana ny kianja «synthètique» eny Itaosy. Io no nambaran-dRasoamaromaka Hery, tomponandraikitra voalohany amin’ny fantanterahana izany, izay tonga nijery ifotony izany, ny talata lasa teo. Efa ny 75 isan-jaton’ny asa no vita, ka anisan’izany ilay bozaka «synthètique», izay efa tafapetraka tanteraka. Ny  fefy manodidina ny kianja filalaovana sy ny «gradin» sisa, hany amboarina. Ankoatra izay, hisy koa kianja ho an’ny tsipy kanetibe sy ny efitrano, fanaovana “aerobic”, ary mety hanaovana dobo filomanosana, araka ny fangatahan’ny mponin’Itaosy.

Ezahina atao manara-penitra tanteraka ny kianja, ary tsy hijanona eo ny fananganana fotodrafitrasa toa izao fa hanenika an’i Madagasikara. Nambaran’Andriantsivahiny Andry, solombavambahoakan’Atsimondrano, fa hametrahana kianja “synthètique” ihany koa eny Tanjombato sy eny Antsahamasina, izay mbola ifampiresahana amin’ny fanjakana.

 

Torcelin

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique