Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

JIOI – Ambasadaoron’i Maorisy: « Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’i Madagasikara »

JIOI – Ambasadaoron’i Maorisy: « Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’i Madagasikara »

Tonga nitsidika ny Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, omaly, teny Ambohijatovo, ny Ambasadaoron’i Maorisy, Datakarran Goburdhun. Nodinihiny niaraka ny mahakasika ny fametrapetrahana farany ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy sy ny fandraisana ireo atleta malagasy miisa 302 hihazo ny Nosy Maorisy. Nanambara ity Ambasadaoron’i Maorisy ity fa zava-dehibe ny fandraisana anjaran’i Madagasikara, ary indrindra hahitana atleta malagasy avokoa ireo taranja miisa 15 hifaninana amin’io lalaon’ny Nosy io. Voninahitra lehibe ihany koa, hoy hatrany ny fanazavany, ny fahenoana fa mety ho avy any Maorisy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hanatrika ny lanonam-panokafana ity JIOI 2019 ity ny faha-19 jolay. Hanamafy bebe kokoa ny fiaraha-miasan’ny firenena malagasy sy Maorisy izao fifandraisana izao, raha ny nambaran’Andriamatoa Minisitra, Tinoka Roberto.

Tonga teny Ambohijato ihany koa ny OIF

Ankoatran’ny fitsidihan’ny Ambasadaoron’ny Maorisy an’Andriamatoa Minisitra, tonga teny Ambohijatovo ihany koa, omaly maraina, ny Ambasadaoron’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie), i Malik Sarr. Mahakasika ny tanora sy asa no nifampidinihin’ny roa tonta izay nanazavana ny momba ilay andiany faha-3 amin’ny Forum ny ranomasimbe Indiana atao eto Madagasikara, manomboka amin’ny talata izao. Nanambara ny Ambasadaoron’ny OIF fa hisy tanora 200 ho avy eto amintsika hanampy ny tanora malagasy amin’ny fitadiavana famatsiam-bola sy fanampiana azy ireo.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique