Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hosoka sy fisolokiana tao amin’ny OMIT: nidoboka am-ponja ireo olona efatra nanodinkodina Iray miliara ariary

Hosoka sy fisolokiana tao amin’ny OMIT: nidoboka am-ponja ireo olona efatra nanodinkodina Iray miliara ariary

Araka ny loharanom-baovao, notanana am-ponja vonjimaika (MD) any Toliary taorian’ny niakarany fitsarana tany an-toerana, ny 6 jona teo ireo olona efatra ahina ho nanodinkodina volabe hatrany amin’ny Iray miliara ariary. Anisan’ny naha voarohirohy azy ireo ny momba io vola latsak’emboky ny mpikambana eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fahasalaman’ny mpiasan’ny orinasa (OMIT) any Toliary io. Teo koa ny fanamparam-pahefana sy andraikitra ary ny fisolokiana narahina hosoka tamin’izany. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany, ahina ho mpiray tendro amin’izy ireo ny mpitantam-bola eo anivon’ity sampandraharaha ity. Maherin’ny 10 ireo olona tafiditra tao anatin’izao raharaha izao fa anisan’ny ahina tsy ho afa-bela ireo teo anivon’ny fitantanana sy ny lafiny ara-bola.

Raharaha niseho ny taona 2017…

Niainga tamin’ny fitoriana sy fitarainana voarain’ny Bianco, sampana Toliary, ny taona 2017 ny fanadihadiana rehetra momba ity raharaha ity, teo anivon’ny OMIT.

Araka izany, andrasana ny hiakaran’ireo olona efatra ireo fitsarana, manoloana izao fanodinkodinam-bola izao.

Tsiahivina fa efa maromaro ny tranga tahaka izao any anivon’ny faritra, efa saron’ny sampana Bianco any amin’ireny toerana ireny ary efa nentina teny anivon’ny fitsarana. Anisan’izany ny tany Antsiranana, ny tany Toamasina sy i Fianarantsoa… ankoatra ireo ambara fa “Trondro vaventy” efa notanana vonjimaika any am-ponja, eny Antanimora na Tsiafahy.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique