Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: samy mandeha samy mandaza

Aza mba tratrako miady amiko hoy ilay bandikely iray mihevitra ny tenany ho kitro ao amin’ny sehatry ny bizina nohon’ny fikasokasohany matetika amin’ny olona heveriny ho tompon-daka ao anatin’ny tambajotran’ny kolikoly. Maro sahady ireo mpitaty ra-kena ao anatin’io sehatra io no mihevitra hanao ny biziny amin’ny fandazana tsy fanta-pihavina atao amin’ny alalan’ilay tambazotran-tserasera vao notokanana atao hoe «i-Toroka» fitaovana vaovao ampiasain’ny sampana miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly ho fanangonana an’ireo fitarainana momban’ny fanatanterahana an’ireo asa maloto mamofopofona kolikoly. Azo heverina mety ho maro ny fitarainana sy fanorotorona hivangongo avy amin’izany fanao vaovao izany. Diso sahady anefa izay manantena hampiasa an’izany ho fanefana kakay na ho fanaovana valifaty. Tsy zazavao akory ireo olona anankinana ny ady atao amin’ny kolikoly ka ho hampianarina anavaka ny raharaha maimbomaimbo amin’ny fanendrikendrehana, tsy vitan’izany fa raha toa tsy mitombona amina fanorona porofo afaaka amarinina ilay tondrotondro tsy fanta-pihavina dia afaka heverina fa tsy hampietsi-bolomaso an’ireo mpanadihady efa za-draharaha. Maro aza no mihevitra fa tsy nilaina akory io plate-forme ao anatin’ny tambazotran-tserasera io, firifiry ny raharaha maloto fanta-poko fanta-bahoaka izay noho izany tsy miafina amin’izy ireo tompon’andraikitra nefa tsy ahafahan’izy ireo mihetsika nohon’ny tsy fisin’ny fitarainana, izay moa ny lalàna mifehy.

Isaky ny mipetraka moa ny resaka momban’ny ady atao amin’ny kolikoly miverina hatrany ny fanontaniana iza moa no hazaina ? Eo mantsy ireo manotra ny madinika, fanao tazana isan’andro manorisory ny fianam-bahoaka, ao koa ilay fitsikombakombana fifandraisan-tendro anambakana ny fanjakana, any ambony any mety hitranga koa ny fifanarahana maizina avo lenta izay fampitondrana takaitra ny firenena. Sarotra no hinoana fa fiadidina iray dia ho afaka isahana an’izany karazany rehetra izany. Asa anefa mety efa misy sampatsampana izay samy manana ny tandrify azy, ao ireo miadidy ny fanenjehana alabotry ao ireo mitsongo dia miandry kendry tohina an’ireo avo fanidina, lavitra ho tratran’ny bala-pilesy.
Tsy hita hifomezan-tsiny ny tsy fahitana vokatra mivaingana avy amin’ny ady atao amin’ny kolikoly. Raha heverina ho tena fahavalo mandoza ny kolikoly ady lehibe hafahafa noho izao no mendrika raiketina ho faneferana azy.


Léo Raz     

Les commentaires sont fermées.