Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika vaovao: andiany voalohany ny « Tsiky sy Mozika »

Hetsika vaovao: andiany voalohany ny « Tsiky sy Mozika »

Fanandratana ny talentan’ny tanora. Fanolorana seho miavaka sy tsy fahita firy kanefa tafita avy hatrany any amin’ny mpitia zavakanto… Hotanterahina ny 22 jona izao, manomboka amin’ny 12 ora tolakandro, eny amin’ny zaridainan’Andohalo (First Garden) ilay hetsika « Tsiky sy Mozika », karakarain’ny Studio 58. Andiany voalohany, ahitana an-dRaboussa sy i Mr Sayd, eo amin’ny hira. Ahitana an-dry Antso Bommartin, Costa, Sombiniaina, Tefy, Kevin Ordy Rak kosa eo amin’ny hatsikana. Hiaraka amin’izy ireo amin’izany i DJ Jo K’Mik-Az.

Amin’ny ankapobeny, hizara roa ny fandaharam-poatoan’ny « Tsiky sy Mozika ». Hisy ny « live acoustic » hiarahana amin’ireo tanora manan-talenta eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Anisan’izany i Valisoa Randriamifidy, i Lucas Ravoson, Andriaina, i Tantely Rasoloarimanana. Hifandimby hiaka-tsehatra ireo mpanao hatsikana avy eo. Eny antsefantsefan’ny seho no hiditra i Mr Sayd. « Any ho any amin’ny 5 ora hariva no noeritreretinay hahataperan’ny fampisehoana », hoy i Nancy Randriamalala, lehiben’ny tetikasa eo anivon’ny Studio 58. iray amin’ireo mpikarakara.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.