Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihaonambe any Soisa: niray latabatra ny filoha Rajoelina  sy i Angela Merkel

Fihaonambe any Soisa: niray latabatra ny filoha Rajoelina  sy i Angela Merkel

Nihaona tamin’ny « Chancelière » Alemà, Angela Merkel tao Soisa, omaly ny filoha Rajoelina. Voaresaka tamin’izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny sehatry ny angovo, ny tontolo iainana ary ny fampianarana sy  ny fanabeazana. Manoloana izany, handefa delegasiona avy amin’ny minisitera maromaro ny filoham-pirenena  ho famaliana ny fanasan’ity mpitantana an’i Alemaina ity. Tsiahivina  fa maherin`ny 40 ireo filoham-pirenena mikaon-doha mandritra ny fanamarihana ny faha-100 taon’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba  ny asa (OIT) any  any Genève – Suisse.  Anisan’ny   mandray anjara amin`izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny filoha Rajoelina.

Anisan’ny miatrika  izany koa ireo fikambanana tsy miankina samihafa, sendikà isan-tsokajiny amin`ireo firenena 178 mpikambanana eo anivon`ny OIT. Tanjona amin`izao fampihaonana tompon’andraiki-panjakana sy mpampiasa izao ny handrafitra ny fenitra iraisam-pirenena sy hamolavola politika ary hanangana fandaharanasa mikendry ny fampivoarana ny asa mendrika ho an`ny rehetra. Tsiahivina fa anisan’ny fanamby napetraky ny OIT iarahana miasa amintsika  ny fampiroboroboana ny asa mendrika ho an`ny tanora sy ny ady amin`ny fampiasana ankizy.

Synèse R. 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique