Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fananan-tany: mahaliana ny fampahafantarana ny asan’ny « topographe »

Fananan-tany: mahaliana ny fampahafantarana ny asan’ny « topographe »

Mbola maro no tsy mahalala ny tena  asan’ny “topographe” sy  ireo  fitaovana  ampiasaina amin’izany”, hoy Ratiarison Saddà Eric, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra nivoaka ho injeniera “topographe”, teny amin’ny Enam. Izay indrindra ny nahatonga azy ireo hikarakara hetsika, “Land surveyor’s week”, eny amin’ny lapan’ny Kolontsaina etsy Mahamasina, nanomboka omaly.

Efa maro ireo liana tamin’ny hetsika, toy ny mpianatra, manana vina ny hiditra eo amin’ity sehatra asa iray ity. Raha fintinina, mandrefy ireo zavatra rehetra eo ambonin’ny velaran-tany iray (zavatra voajanahary sy ireo naorina) sy mametraka izany anaty sarin-tany ny asan’ny “topographe”.

Misy ny fampirantiana ary miara-dalana amin’izany ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpitsidika  sy ireo matihanina. Hofaranana  amin’ny fiaraha-mifaly ny hetsika, eny amin’ny  Paon d’or Ivato, rahampitso hariva.

Landy R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique