Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanafihana teny Antanety Avaratra: jiolahy iray nidoboka eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy

Fanafihana teny Antanety Avaratra: jiolahy iray nidoboka eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy

Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny jiolahy iray isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny Antanety Avaratra, ny zoma 7 jona 2019 alina teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy misahana ny heloka bevava (BC), sakelika fahadimy (BC5),  ny 8 jona 2019 no voasambotra ity jiolahy taorian’io fanafihana mitam-piadiana io. Nahazo antso avy amin’ny polisy avy ao amin’ny CSP6 Ambohimanarina ny polisin’ny BC fa misy trangana fanafihana mitam-piadiana miseho eny amin’ny faritra Antanety Avaratra. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo polisy, saingy efa lasa nandositra ireo jiolahy. Niainga teo ny fanadihadiana rehetra ka tamin’izany no nanambaran’ny tompon-trano fa jiolahy miisa efatra tsy nisaron-tava no nanafika azy ireo. Basy Kalachnikov sy PA ary sabatra no nentin’izy ireo nanao ny fanafihana. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 7 hetsy Ar niaraka tamin’ireo fitaovana sarobidy tao an-trano. Nilaza rahateo ireo niharam-boina fa mahatadidy ireo mpanafika azy. Ny ampitson’io tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro, hitan’ireo voatafika nivezivezy teo Anosy ny iray amin’ireo nanafika azy. Niantso polisy avy hatrany izy ireo ka nosamborina ity lehilahy ity. nandritra ny fisavana azy dia nahitana antsy iray tao anaty sakaosiny ary mbola teny aminy koa ny fitafiana izay nanaovany nandritra ny fanafihana. Natolotra ny fampanoavana izy ka naiditra am-ponja avy hatrany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.