Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ceni: miisa valo ny fampitahana voka-pifidianana

Fantatra izao fa valo amin’ny fitarainana 15 voarain’ny eo anivon’ny Ceni ny fampitahana atao amin’ny fitanana an-tsoratra (PV) tamin’ny fifidianana depiote. Anisan’izany, ny avy any amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Arivonimamo, Amparafaravola, Soalala, Mahajanga II…

Alohan’ny hamoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika ofisialy, mbola afa-mangataka fampitahana PV ny kandidà. Mbola mandeha koa ny fametrahana ny fitarainana sy ny fitoriana momba ny zotram-pifidianana sy ny fampielezan-kevitra.

“Tratra ny fe-potoana napetraka, ary araka ny lalàna: ny 15 jona no hamoaka ny vokatra vonjimaika ofisialy ny Ceni tamin’ny fifidianana “, hoy ny mpampaka-teny eo anivon’ny Ceni, Razafindraibe Ernest. Vita ny fikirakirana ny PV tena izy amin’ny fampitahana izany amin’ny PV nalain-tsary avy any amin’ny Ced eny anivon’ny distrika.

Hiroso amin’ny famintinana ny vokatra navoakan’ny SRMV amin’ny famintinana ny vokatry ny fikirakirana ny PV tena izy ny Ceni. Hahazoana manomana ny voka-pifidianana vonjimaika ofisialy, amin’ny faran’ny herinandro ity.

Efa naparitaka eny anivon’ny distrika ny fanasana ny kandidà na ny solontenany hanatrika izay famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ofisialy izay amin’ny anaran’ny mangarahara.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.