Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankirihiry: lehilahy nahatrarana rongony 50 kg

Ankirihiry: lehilahy nahatrarana rongony 50 kg

Saron’ireo polisy nanao fisafoana teo amin’ny “check point” Ankirihiry Toamasina, ny asabotsy 8 jona 2019 tamin’ny 11 ora alina ny lehilahy iray nandeha Bajaj niaraka tamin’ny rongony  milanja 50 kg mahery. Noraisim-potsiny niaraka tamin’ireto zava-mahadomelina ireto ny lehilahy iray nitondra azy raha tafaporitsaka kosa ny namany iray. Araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy no nahafantarana fa avy any Morondava ity lehilahy tratra ity sy ny namany iray. Nandeha taksiborosy izy ireo no nitondra rongony ireto ka rehefa tonga tao Toamasina dia naka Bajaj indray. Tsy nampoizin’izy ireo anefa ny fisian’ireo polisy mpanao fisavana eo Ankirihiry ka tamin’izany no nahatrarana ity Bajaj nitondra rongony ity.

 Jean Claude

Les commentaires sont fermées.