Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatolahy: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo

Mihorohoro tanteraka ny mponina ao amin’ny kaominina Ambatolahy Ivony, distrikan’Ambositra. Nitrangana fanafihan-dahalo mitam-piadiana mahery vaika indray tany an-toerana, ny alakamisy 6 jona lasa teo. Tokantrano notafihin’ny dahalo maromaro nitondra basy. Vokany, raim-pianakaviana iray maty voatifitra raha voatifitra teo amin’ny tendany sy  ny tanany kosa ny zanany roa. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly ireo zanany roa lahy ireo ka ny asabotsy teo no nesorina ny bala nilentika tao amin’ny tendany sy ny tanany. Araka ny fanazavan’ireo niharam-boina, tao anatin’ny horohoro no niatrehan’izy ireo ny fanafihan’ireo dahalo tamin’io fotoana misasakalina io. Omby miisa dimy no lasan’ireo dahalo, ka novonoin’izy ireo teo akaikin’ny tranon’ireo niharam-boina  ny omby iray. Tonga nanao fitarainana tao amin’ny Toby Ratsimandrava ireo niharam-boina ka nanome baiko ny teo anivon’ny kaomandin’ny zandarimaria amin’ny hanenjehana haingana ireo dahalo ireo. Nahitam-bokany satria tratra ny efatra tamin’ireo dahalo nanafika. Nilaza ireo dahalo nandritra ny famotoran’ny zandary tany an-toerana fa ny iray amin’izy ireo no nitifitra ilay raim-pianakaviana. Izy rahateo koa no tompon’ny basy nampiasaina tamin’io fanafihana io. Fantatra, araka ny loharanom-baovao marim-pototra fa mpampianatra efa misotro ronono no mifandray tendro amin’ireo dahalo ireo. Manaporofo izany rahateo ny fisian’ireo basy Kalachnikov iray sy bala 12 ary basy lava roa tratra tao aminy.

Jean Claude 

Les commentaires sont fermées.