Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alefa… Sosialy

Alefa… Sosialy

Alefa Barea ! Izany  ny malaza izao ankoatra ny resaka politika, momba ny voka-pifidianana sy  ny hetsi-panoherana samihafa na  koa fitoriana efa mandeha eny Ambohidahy na  eny  Alarobia… Efa lasa any Maraoka hanoman-tena ny ekipantsika, mialoha  ny lalao any Ejypta. Fotoana  izao ilana ny fanohanana tsy misy fepetra ny Barea mba tsy ho valalan’amboa sanatria. Efa ireo ny antsika… Ao anatin’izany ny ilaina ny fifampitaizana fa tsy hifanaratsy sy hifanenjika momba ny ekipantsika… Mety misy ihany mantsy indraindray ny alahelon- “Can” noho ny antony samihafa… Na koa fijapiana ny Barea amin’ny endriny sasany : politika, orinasa, fanjakana…

Ankoatra izany, avelao hanao ny asany ao anaty fitoniana sy araka ny lalàna koa ny eo anivon’ny Ceni sy ny HCC ka  hamoaka ny voka-pifidianana marina, tsy mitanila ary ho araka ny rariny koa izany… Mandra-piandry izany, alefa  koa ny sosialy. Io izao ny fitohanan’ny fifamoivoizana… Nikaikaika avokoa ny rehetra eto an-dRenivohitra, hatry ny afakomaly sy omaly.  Inona ny olana ? Aiza  ny vahaolana  ? Vahao ny “olako”, ny  olantsika momba io ary apetraho ny vina mijery lavitra kokoa, mandra-pahatongan’ny “Tanamasoandro”eny Atsimondrano sy ireo lalana mifandraika amin’izany.  Na  koa ny etsy Ambohimangakely mivoaka By Pass.  Aoka tsy iandrasana fimenomenomana sy fitarainana tahaka izao hatrany ny tranga miseho vao raisina ny andraikitra ka isehosehoana… ivelany. Raiso avokoa ny fepetra rehetra ary aoka haharitra fa tsy ho afo mololo.  Tsy amin’io ihany fa amin’ny sehatra rehetra. Tsy anjaran’ny Tanàna sy  ny fanjakana ihany  anefa izany  fa  ny toe-tsain’ny  tsirairay rehetra mihitsy koa. Alefa… koa ny  solika. Efa nampanantena ny mpitondra fa hidina ny vidin’izany amin’ity  volana  ity, saingy miandry kely indray ny fiverenan’ny filoha avy any ivelany… Rehefa  hatao dia hatao. Lany foana ny sakay na mangidy aza rehefa tenierana. Efa hita ny nataon’ny  teo aloha nampanantena vahaolan’ny delestazy tao anatin’ny telo volana, saingy tsy voavahany izany  mandra-pialany teo. Ka sao lahy sanatria… hamerina an-jambany ny hadisoan’ny teo aloha. Milamina kely amin’ny ampahany isika rehefa midina ny vidin-tsolika. Ny fanampiny sady lehibe koa anefa ny fandriampahalemana. Alefa… koa io fa miantoka ny fampandrosoana. Mbola ampahany ihany amin’ny rehetra tokony ho  “Alefa” ireo!

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.