Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianana: natsinkafon’ny terak’i Betroka ny momba an’i Paolo

Nitondra valin-kafatra. « Mbola ampahany ihany fa betsaka  ny tsy nanjary nataon-dRaholinarivo Paolo  tany aminay…  Mpikarama anady sy mijapy mpanao politika izany. Voa mafy hatrany ireo  niaraka taminy : pasitera Mailhol, ny kandidàn’ny IRD ity sy ny maro  hafa”, hoy ny solontenan’ny terak’i Betroka, tetsy Antaninarenina, omaly.  Anisan’ny antony tsy nahalany ny kandidà notohanany izany. Eo koa anefa ny  zava-bita sy ny asa nataon’ny  depiote Randrianasolo Nicolas, araka ny nambaran’izy  ireo. Notsiahivin’izy ireo fa tsy mitombina avokoa ny nambaran’io admnistratera sivily io ka nilazany fa nisehoana hosoka  na hala-bato  tamin’ny fifidianana. “Resy teo an-tampon-tanànan’ny kaominina Betroka amin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 14 io ben’ny Tanàna  kandidà io.  Tsy manaiky izany izy sy ny mpiara-dia  aminy ka mandrangaranga  fandrahonana etsy sy eroa”, hoy Ramanandraibe Michel. Nanterin’izy ireo fa nanao fanamparam-pahefana ireo mpomba izany kandidà izany, notarihin-dRaholinarivo Paolo. Teo  ny teny tafahoatra na napetraka ho raiamandreny sy manampahaizana aza  ny  tenany, saingy  tsy eo aminy ny fahendrena, araka ny nambaran’ireto olobe ireto hatrany.  “Tokony  ho  nosasana tany Betroka raha nisy ny lamba maloto… Tsy naharesy lahatra  ireo kandidà  hafa ny hiaraka amin’izy ireo. Tsy manana fahefana hangala-bato na hibaiko ny delege na tompon’andraiki-panjakana izahay”, hoy  kosa  Ambinintsoa Hilarion. Tsiahivina  fa efa nametraka fitoriana  eny amin’ny HCC amin’ny ambarany  fa hosoka sy hala-bato Raholinarivo Paolo.

Synèse R.      

 

 

Les commentaires sont fermées.