Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: tratra ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-basy

Toamasina: tratra ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-basy

Noraisim-potsiny ireto andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina ireto. Ry zalahy ireto no tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpamongady iray tao an-toerana ka nahaverezana vola 10 tapitrisa Ar.

Voasambotry ny polisy, ny alarobia 5 jona 2019 tao Toamasina ny andian-jiolahy miisa dimy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy famakiana tranon’olona ao Toamasina. Raha tsiahivina ny zava-nitranga talohan’izao, araka ny fanazavan’ny polisy, nisy nanafika ny tranombarotra mpamongady zava-pisotro iray ao Tanambao Fahadimy, ny fiandohan’ny volana mey lasa teo. Vola mitentina 10 tapitrisa Ar teo ho eo no lasan’ireo mpanafika. Nisy tamin’ireo jiolahy nanao ny fanafihana no efa tratra fa nisy kosa ny tafatsoaka ary nokarohina. Andro vitsivitsy taorian’izay, ny alatsinainy 6 hifoha talata 7 mey 2019 tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, lasibatry ny andian-jiolahy koa ny tokantranon’ny vehivavy iray monina ao Salazamay Toamasina. Nisy tamin’ireo jiolahy nanao ny fanafihana anefa no tadidin’ilay vehivay ny endriny. Rehefa natao ny fikarohana ary nanampy ny fanomezam-baovao ireo olona tsara sitrapo dia voasambotra ny olona dimy lahy anisan’ny voarohirohy tamin’ireo fanafihana ireo. Fantatra fa misy amin’izy ireo no mpitsikilo nandritra ny fanafihana ary nisy ny nanao fanafihana mivantana.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique