Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby: nanome akanjo mafana ho an’ireo ankizy ny Pachamama

Rugby: nanome akanjo mafana ho an’ireo ankizy ny Pachamama

Noho ny fahatongavan’ny fotoan’ny ririnina, nanolotra akanjo mafana, ho an’ireo ankizy miisa 300 mianadahy, monina sy mipetraka eny amin’ny faritra Soavimasoandro, mivondrona ao amin’ny sekolin’ny rugby, ny fikambanana Pachamama sy ny klioban’ny RCTS. Ny asabotsy lasa teo no nanaovana izany, teny amin’ny foibe toerany teny Soavimasoandro. Nisitraka izany koa ireo olona efa nahazoazo taona. Nambaran’Andrianarisoa Avotra, filohan’ny fikambanana fa tafiditra ihany koa ao anatin’ny volan’ny ankizy ity hetsika ity. “Mendrika ny hotohanana ireo kilonga, ary efa fanaon’ny Pachamama isan-taona izao”, hoy hatrany izy.

Nambaran-dRakotomalala Santoni Ismael, kapitenin’ny Makis teo aloha ary anisan’ireo mpanabe ao amin’ny sekolin’ny rugby eny Soavimasoandro fa mitohy hatrany ny fiainan’ireo ankizy beazina, na tsy manana ny kianja hilalaovany aza, izy ireo. Miantso hatrany ny minisiteran’ny fanatanjahantena sy ny fanjakana, ny fikambanana Pachamama, hijery sy hamaha ny olana, mahazo azy ireo.

 

Torcelin

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique