Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MDB (Malagasy Dairy Board): mbola ambany ny fanjifan’ny Malagasy ronono

MDB (Malagasy Dairy Board): mbola ambany ny fanjifan’ny Malagasy ronono

Natao ny herinandro lasa teo ny Tsenaben’ny ronono nokarakarain’ny MDB (Malagasy Dairy Board), andiany fahatelo. 70 ireo nandray anjara nahitana tranoheva 90. Nanomboka ny taona 2017, nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ronono, isaky ny voalohan’ny volana jona ny eto Madagasikara.

Sehatra iray mila tosika betsaka ny fihariana famokarana ronono, nampahafantarana ny rehetra iankinan’izany, mivantana na ankolaka. Mbola maivana ny fanjifana ronono eto amintsika, ankehitriny : 12 kg /olona/taona, na hita aza fa misy fitomboana raha oharina tany amin’ny taona 2004, 5 kg / olona /taona. Nofaritana nandritra io Tsenabe io ny tokony hanomezan-danja ny fihariana ronono, manomboka any amin’ny fiompiana omby. Izay fiompiana izay, mila fampiasam-bola betsaka ho an’ny famokarana vilona.

Na misy aza ny omby, nefa tsy ampy ny vilona, tsy misy vokatra ronono firy azo antenaina. Raha misehatra amin’ny famokarana ronono, tsy maintsy mampiasa vola amin’ny fikarakarana ny omby, manomboka any amin’ny sakafony, fiahiana ny fahasalamany, olona sy fitaovana ampiasaina, fiarovana amin’ny asan-dahalo. Ny karazana ombivavy beronono mbola mampitombo betsaka ny vola miasa.

Nampiakatra ny fanjifana ny fitomboan’ny vokatra efa voahodina avy any ivelany tonga amin’ny tsena eto an-toerana. Na izany aza, mbola ambany ny fanjifan’ny Malagasy ronono raha ampitahana amin’ny Afrikanina sasany. Tsy takatry ny fahefa-mividin’ny maro ny vokatra voahodina, toy ny fromazy. Ry zareo any Kenya, ohatra, efa manjifa tsy latsaky ny 20 kg/olona/taona.

Koa najoro ny MDB, ny taona 2004 ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ho fanohanana ny seha-pihariana ronono. Mivondrona miara-miasa ny avy amin’ny mpiompy, mpanangona sy ny mpanodim-bokatra, mpanafatra vokatra ronono avy any ivelany, mpivarotra sy ny mpanjifa. Mandrindra ny ataon’ireo sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny lafiny teknika sy ara-bola ny anjara asan’ny MDB. Manampy ny MDB amin’izany koa ny FAO.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.