Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà  Volahaingo Marie Thérèse: « Aoka ho tony eo am-piandrasana voka-pifidianana ofisialy »

Kandidà  Volahaingo Marie Thérèse: « Aoka ho tony eo am-piandrasana voka-pifidianana ofisialy »

Naneho ny heviny momba ny fizotry ny fifidianana depiote farany teo ny kandidàn’ny IRD, Volahaingo Marie Therese, nirotsaka tany Bealanana.  Nanao antso avo ny tenany manoloana ny feo miely sy ny fanakorontanana ataon’ny sasany.

Aoka isika  ho tony eo am-piandrasana  ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny HCC, indrindra isika vahoaka  any Bealanana. Tompon’ny teny farany io fitsarana io. Ho depiote ny mandresy eo  ary afaka dimy taona indray manarina ho an’ireo tsy voafidy”,  hoy izy.  Niantso ny rehetra ny tenany mba tsy handairan’ny tsaho ary hilamina manoloana izao voka-pifidianana vonjimaika sy tsy mbola ofisialy izao. Nialoha izany, notsiahiviny fa nitarika ny tenany amin’ny voka-pifidianana tany an-toerana, saingy nisy  ireo kandidà roa hafa tsy nahazaka izany ka niezaka ny nanao hetsika tsy nahazoana alalana sy nikasa ny handoro ny biraon’ny CED Bealanana.

Nahazo  ny 38% ny kandidàn’ny  IRD

Teo  koa ny filazana fa nisehoana hala-bato iny fifidianana iny.  “Nanana  delege sy solontena avokoa anefa ny kandidà  rehetra ary tsy nahitana fitarainana na fitoriana tamin’ny fitanana an-tsoratra (PV).  Mbola narahina fampitahana  ny voka-pifidianana indroa miantoana  izany, saingy  tsy  nahitana tsy fitoviana teo amin’ny PV. Tsy nisy akory izany ny hosoka na hala-bato. Tahaka izany koa ny momba  ny lisi-pifidianana nataon’ny Ceni. Nadio tanteraka ny fifidianana fa  tsaho avokoa ny ankoatra  izany”, hoy ihany ny kandidà Volahaingo na i Sosoa.

Tsiahivina fa mitarika amin’ny salanisa maherin’ny 38% ny  kandidàn’ny  IRD, Volahaingo Marie Therese amin’ireo kandidà efatra nifaninana.  33%  kosa ny vato azon’ny mpifanandrina aminy, ny tsy miankina Andriamanantsoa Aziz Meraly.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.